Fizoran'ny Tantaran'ny Gasikara

Nampidirin'i ravolijery | 30 Apr, 2009

Ny Tantara

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny dingana manaraka ny antoko AREMA araka izay efa nokendren'izy ireo hatramin'ny nanohanana an-dRajoelina Andry ho lasa ben'ny tanàna. Efa notenenina ihany moa i Antananarivo fa tsy milamina io olona io fa atao ahoana e, izay aloha ny tiany. Ny vokany fotsiny no iaraha-mahita fa mifanaritaka ny eto an-tanàna ary ny Karàna sy ny vahiny manohy mangina ny fangoronan-karena ataony mahazatra. Raharahiany inona koa moa, angaha taniny i Gasikara, rehefa ritrany ny harena eto dia ahorony ny entany dia eto isika mianakavy mbola manafatra sy mivarotra korontan'entan-tSinoa sy vazaha eto foana. Ny HOTEL IBIS manohy hatrany ny fanamboaran-tranony, ny tranobe mijoalajoalan'ny Barday TOTAL FITARATRA tafajoro na dia tsy feno mpanofa aza. Dia ianao manontanyhoe fa atao inona aza io? Ry zalahy mijery 50 taona ho avy fa ny ankamaroantsika ny amin'ny herin-taona no tsinjovina. Tsy hita fa mahantra marina angamba.

Atao ahoana fa dia tratry ny tsy azo anoharana indray aloha ny Mpanohana ny Ara-dalàna hatreto. Manjaka marina ny fanjakan'ny Fitondrana Avon'ny Teteza-mita. Azy ny fahefana ankehitriny raha ny resaka fisamborana sy fanagadrana olona. Manginy fotsiny ny fandraràna ny olona tsy haneho hevitra. Mitady izay hiasana milamina amin'izay izy ireo ka tsy maintsy mampiasa ny fomba rehetra handripahana izay mety ho fanelingelenana rehetra. Mitovy paik'ady amin'izany : potehina sy gafiana ireo haino aman-jerena entin'ny Mpiaro ny ara-dalàna hifaneraserana : Radio Mada International. Gidragidraina koa ny Radion'ny FJKM izay tohina tokoa taorian'ny nanaovana tsinontsinona ny Filoham-piangonana ary rariny dia rariny raha tsy hahatoky velively ny fanjakana mijoro ankehitriny. Fa ny fanontaniana dia hoe "Hahatohitra ny Fanjakan'ny Basy ve ireo Protestanta marobe?". Fanjakan'ny Basy satria raha ny fahaizana am-pahalalana ananan'ny olona ao anatin'ny Governemantany dia any an-kitrokelin'ny Governementa najoron'ny Piraiminisitra Manandafy Rakotonirina. Oh : Benja Razafimahaleo ve dia mba ho sahy hilahatra amin-dRazakariasa Henri Bernard. I Monja Roindefo sy ny volabe nahodinkodiny sy ny trosabe tsy voaloany ve dia mendrika ny toerana Piraiminisitra.

 

Nosamborina ny alain'ny 29 Aprily 2009 ny Piraiminisitra Manandafy Rakotonirina ary tsy heno hatramin'izao ora hanoratanay izao ny zavatra mahazo azy fa ny Komandà Charles aloha dia nilaza hoe "Mahazo amiko ialahy androany". Iza moa i Mandafy Rakotonirina? Tsy mba isan'izay niady seza izy fa nikiry hatrany ny hanatsarana ny tontolo pôlitika teto Madagasikara. Nahafantatra tsara ny hala-bato nataon'ny AREMA taloha izy tamin'ny fifidianana nisesy nandritry ny 16 taona voalohany nitondrand-dRatsiraka kanefa moa nohon'ny fahefana kely teo am-pelan-tanana na ara-pitaovana na ara-bola dia tsy maintsy milefitra ndrao ny basy no hiteny aminy. Ny Filoha Ravalomanana no olona tokana nanana ny fitaovana sy ny vola nahafahana nanaboraka ho ren-tany ren-danitra fa i Didier RATSIRAKA dia tsy mamim-bahoaka velively fa hala-bato hatrany no nijanonany teto. Ary isaorana Andriamanitra fa raha tsy tonga teo Ingahy Ravalomanana dia efa lasan'ny frantsay koa JIRAMA, ADEMA, AIR MADAGASCAR sy ny orinasa stratejika sasany. Lafrantsa moa dia efa mihaodihaody any koa tamin'ireny amin'ny fikasana handefasana fitaovam-pamokarana Jiro amin'ny alalan'ny Energie Nucléaire ka noheveriny hamarotana ilay milina lany daty ny Malagasy (Reacteur à Fusion) izay sarotra dia sarotra tokoa ny hitahirizana ny fako (déchet nucléaire) azo avy amin'izany. Efa nahatsikaritra izany ny INSTN - Université d'Antananarivo kanefa dia hodian-tsy ho hita.

Nahatsapa izany rehetra izany ny Filoha Ravalomanana koa dia niezaka niaro sy nitantanana ny fananan'ny Malagasy tamin'ny fomba rehetra. Nipololotra tsy fidiny tany anatiny ny tsy fahatokiana ny sasantsasany tamin'ny mpiara-miasa aminy ka nanosika azy hifehy zavatra marobe isorohana ny hatendan'ny AREMA sy ny Frantsay. Iza no tsy mahalala ireo AREMA mpilalao ny vidim-piainana teto amintsika? (Oh: SILAC amin'ny resaka Vary) Ary ny Frantsay amin'ny alalan'ny fanjanahan-tsaina? (RTA, Alliance FM, Radio Tana) - Izay nanosika an-dRavalomanana hanao ny teny anglisy ho tenim-pirenena ary nanindraindra ny teny malagasy. Samy manaiky anefa isika fa tsy misy voafehiny ireo fiteny telo ireo, ary isika rehetra koa dia mitovy aminy avokoa fa ny tokony ho henatra lehibe ho antsika dia ny tenintsika tsy voafehintsika.

Tohin'ny Tantara

Raha te handresy sy hanohitra ny mety hiverenan'ny AREMA sy ny Forongony (Frantsay, Karana, CAPSAT, Miaramila mpamono olona, Coutity, Andry TGV) isika malagasy dia tsy maintsy mizotra amin'ny ADY. Ny ady resahana eto dia amin'ny VAVAKA, ny TENA, ny SAINA sy ny VOLA. Ary ady anatin'ny finoana. Ny lalana voalohany irosoana amin'izany dia ny fahatsapan-tenan'ny Mpiasam-panjakana tsy vakivolo hanaiky fa tsy rariny ny ramatahora ataon'ny FAT, fa jiolahy avokoa no manani-bohitra. Mila miditra fitokonana faobe ny vahoaka malagasy ary mila mandringana tanteraka izay milaza ny tenany ho Miaramila nefa mpamono olona sy mpanongam-panjakana. Mety tsy ho tratrantsika androany ny Commandant Charles fa tsy ho antitra eo angaha izy ary amin'izay atao ho tsapany ny ngidy izay hampidirany ny firenentsika.

 ISAKY NY FARITRA MISY ANTSIKA, AOKA HANOMANA PAIK'ADY HANEHOANA IZAO TONTOLO IZAO FA TSY MAINTSY MIADY NY TIA TANINDRAZANA! AMIN'NY FOMBA REHETRA !

 

AVERINTSIKA NY HETSIKY NY 1947 ARY TSY MISY MAHAZO MIRIORIO ETO IZAY REHETRA MIENDRIKA FANJANAHANA NA MALAGASY IZY NA VAHINY! RAISO NY AMPINGA MIVONDRONA ISIKA REHETRA ARY AOKA HIFAMOTOANA HANAMBATRA NY HERY!

MASINA NY TANINDRAZANA!