Mitohy ny tantara

Nampidirin'i ravolijery | 19 Mey, 2009

Raha mbola avela misahotaka amin'ny HAT ny vahoaka mitaky ny fiverenan'ny ara-dalàna dia manohy antsokosoko ny fiakarany ny AREMA.

 

Aza adinoina fa nandritry ny savorivory tamin'ny Janoary 2009 dia efa nazava hatrany am-boalohany ny tanjona nokendrena : Ny hiverenan'ny AREMA sy ny Karana Frantsay.

 

Efa voatsinjara mazava tsara ny asan'ny tsirairay tamin'izany : Andry TGV manongana ny fitondran'i Marc Ravalomanana ary manao izay tsy hiverenany. Ho betsaka ny olona izay hitaky ny hiverenany ary teo no nanomboka ny fifanandrinan'ny miaramilan'ny HAT sy ny vahoaka.

Izay tsy mahasahy maty mimpirina any an-trano, izay mahasahy reraka satria be ny olona kamo hifanandrina amin'ny HAT.

 

Rehefa izany ny AREMA, amin'ny alalan'ny Pierrot RAJAONARIVELO,  manohy milamina ny fampielezan-kevitra etsy sy eroa ary mody manankiana ny HAT. Ho avy ny fifidianana, ny filoham-pokontany rahateo efa nosoloina jiaby. Ny ara-dalàna moa dia efa tsy horesahana intsony,

 

Rehefa tafakatra ny AREMA dia mazava ho azy fa handihy ny Frantsay, ny Karana, ny olona mpamadika tanindrazana rehetra!

 

Lalana tsotra sy tokana no hahafahana miala amin'izany :

FAHATONGAVAN-TSAIN'NY TSIRAIRAY

ARY FANOHERANA HATRAMIN'NY FARANY NA NY AREMA NA NY HAT;

FIDINANA AN-DALAM-BE,

FAMPIKATSOANA NY MACHINE ADMINISTRATIVE;

 

REHEFA TSY TONTOSA IREO DIA MIOMANA MANGORONA ENTANA FA TSY NATAO HO AN'NY MALAGASY I MADAGASIKARA FA HO AN'NY FRANTSAY SY NY KARANA!

NY MPAMADIKA TANINDRAZANA MOA DIA MIHINANA SY MILETRA IZAY AZONY AMIN'IZANY!

 

ATSIPY NY TENY HO AN'NY MALAGASY MANAM-PANAHY !